septembre 21, 2013, FILAZANTSARA

Matthew 9:9-13

9 Ary nony niala teo Jesosy, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra, ary hoy izy taminy, 'Araho aho.’ Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.

10 Ary raha nipetraka nihinana tao an-trano Jesosy, dia nisy mpamory hetra sy mpanota maro tonga niara-nipetraka nihinana tamin’i Jesosy sy ny mpianany..

11 Rehefa nahita izany ny Fariseo, hoy izy ireo tamin’ny mpianany, ‘Nahoana ny tomponao no miara-mihinana amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota??’

12 Rehefa nandre izany izy dia namaly, ‘Tsy ny salama no mila dokotera, fa ny marary.

13 Mandehana mianara ny hevitry ny teny: Ny famindram-po no sitrako, tsy sorona. Ary tsy tonga hiantso ny marina tokoa Aho, fa ny mpanota.’


Comments

Leave a Reply